Nigéria : Mpianatra maro nisy naka an-keriny.
Ny talata 16 febroary lasa teo, niditra an-keriny tao amin’ny sekoly iray ny lehilahy maro mitam-piadiana. Nanao fandrahonana tamin’ny olona maro izy ireo tamin’ny fotoana nanatanterahan’izy ireo izany. Mpampianatra maro ihany koa no lasany nandritra izany.Nanameloka tanteraka izao habibiana izao ny filoham-pirenena Nigerianiana, Muhammady Buhari. Nanome baiko ity farany mba hanao hetsika fanavotana ireto olona ireto, raha araka ny fanambarana navoakany. Mbola tsy fantatra hatreto ny isan’ny mpianatra sy mpampianatra lasan’ireto jiolahy ireto. Tany amin’ny faritra avaratry Nigeria no nahitana izao habibiana izao. Mbola tsy mazava ihany koa hatreto ny mombamomba ireto mpaka an-keriny ireto, na mpampihorohoro.
