ActualitésTsidika

Hetsika SSMAF : Hisy ny fanomezana hatolotra ireo mpampianatra mendrika avy ao Avaradrano

Ao anatin’ny hetsika SSMAF izay karakaraina eny amin’ny BTC Ambohimangakely mandritra ity volana septambra ity hatrany, hisy ihany koa ny fampandraisana anjara ireo mpampianatra izay hita fa matihanina sy mendrika ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

« Ho fanosehana ireo mpampianatra sy ahafahan’izy ireo miditra mankany amin’ny matihanina kokoa dia hisy karazana fifaninana ho an’ireo mpampianatra ireo. Ireo mpampianatra ny taranja Malagasy, Frantsay, Anglisy, Matematika, Tantara sy Jeographia no antsoina inndrindra ao anatin’ny fifaninanana » hoy i Hasina, mpikarakara ny hetsika.

« Ilaina tokoa ny fikarakarana fifaninana tahaka izao mba entina hanehoana ny fahaiza-manao sy ny talenta any anatin’ny tsirairay. Tsy izay ihany anefa anisan’ny fotoana hifampizarana ny traikefa sy ny fahaizana ny fifaninana indrindra ireo mpampianatra manam-pahaizana avy amin’ireo kaominina ao amin’ny distrika » hoy i Mino, mpanohana ny hetsika.

Tsiahivina fa anisan’ny tanjona ao anatin’ny hetsika SSMAF ny hanosika sy hanome teorana ireo heverina ho matihanina, mpanantalenta ary tompondaka indrindra fa ireo ao amin’ny distrikan’ny Avaradrano. Ary ho an’ireo liana moa dia azo ataon’ny mpandray anjara ny manoratra anarana avy hatrany ao amin’ny pejy fesiboky « Fanilon’ny mpandraharaha ».

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire