Social

Mitokona indray i Vontovorona.

Ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo no ao an-tsaina voalohany vao maheno izany grevy izany raha ny ao Antananarivo manokana. Rehefa misy ny tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy amin’ireo mpianatra dia rafitra ny fihetsiketsehana ataon’ny mpianatra toy ny hoe vatsim-pianarana tsy azo na tsy ampy, fampianarana tsy mifanaraka amin’ny rafitra LMD, mpampianatra tsy mampianatra fa mitokona, fitaovana tsy ampy nefa tena ilaina amin’ny andavanandron’ny mpianatra. Vao tsy ela no nisy grevy teny Ankatso ary vao nyy 16 febroary kosa ny teny Vontovorona, izay fitokonana nataon’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite Vontovorona. Nisy sahotaka teo amin’ny mpianatra sy ny zandary kanefa olona ivelan’ireo no voa mafy teny Vontovorona. Zaza 9 volana, mpianatra kely iray, mpandalo iray, zandary efatra no naratra nandritra ny tora-bato nataon’ireo mpianatra mpitokona ireo. Niseho tamin’ny endriny maro ny fandikan-dalàna sy ny fihoaram-pefy nataon’izy ireo izay tena nanakorotana ny filaminan’ny mponina teny an-toerana mihitsy aza ka voatery niditra an-tsehatra ny zandary. Tsy maintsy asiana fitokonana foana ve vao hahatsapa ny tokony hataony ny tompon’andraikitra ny amin’ireo filan’ny mpianatra ? Mitondra antsika makaiza ihany koa anefa ny grevy raha toa ka vitan’ny fifampiresahana ihany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire