SocialTsidika

Manan-danja ny teny Malagasy.

Fanoitra mampivelatra ny fanahy maha olona sy ny maha Malagasy ny tenintsika. Amin’ny alalan’ny fanavaozana sy fikolokona io teny io no hamerenana ny hambopom-pirenena. Hita mantsy fa tsy voahaja intsony izany nohon’ny fihazakazaky ny teknolojia sy ny fivoarana misy amin’izao fotoana. Manjary lasa simban’ny teny vahiny sy ny fanatontoloana izany ka adino. Tsy vitsy amitsika anefa no mahafantatra ny oha-pitenenana manao hoe :” Andrianiko ny teniko ny an’ny hafa koa feheziko”. Mifanohitra amin’izany anefa ny hita hatreto. Mihavery ny kolotsaina maha-malagasy. Hita ny fiovaovan’izany teny Malagasy isaky ny vanim-potoana lalovan-tsika. Manomboka miampy ihany koa ny vaombolana rehefa misy izany fiovana izany. Raha tsiahivina, nisy ny velankevitra momba ny “Teny Malagasy mitety vanim-potoana” tetsy amin’ny Nosy Tv Behoririka ny 24 febroary lasa teo. Tamin’izay fotoana izay no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Tanjona ny hanehoana ny fivoaran’ny teny Malagasy amin’ny mpiray tanindrazana sy ny hampahafanatrana ny tantaran’ny tenim-pirenena eto Madagasikara. Tamin’io fotoana io ihany koa no nankalazana ny faha130 ny taonan’Ny Avana Ramanantoanina, mpanoratra fitaratra tamin’ny fanajana ny teny Malagasy. Nahatonga azy nanaja loatra ny teny Malagasy ny zavatra niainany tamin’ny fotonan’ny fanjanahantany sy ny vanim-potoana “Mitady ny very”. Nankafy ny teny Malagasy izy ary tsy niala tamin’izany mandrapaha-fatiny.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire