Mahazo vahana ny fitokonana amin’izao.
Nanomboka nalaza indray tato ato ny karazana fitokonana, raha ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo no tena nahafantarana azy. Tsy fahafaham-po amin’ny asa ataon’ny fitondrana ? Sa fanarahana ireo fampanantenana natao nandritran’ny fifidianana ? Toa samy manana ny maha-ory azy ny vondrona na sampana tsirairay ka raikitra foana ny fitokonana. Tsy ampy ny dabilio hianaran’ny mpianatra ao amin’ny Lisea Maintirano ka mifitokonana izy ireo. Lasa voatery mipetraka amin’ny tany ireo mpianatra noho ny tsy fahampian’ny fitaovana. Ny fitarainana tsy voatery aseho amin’ny alalan’ny fitokonana fa ny fifampiresahana mivantana amin’ny tompon’andraikitra no tena tsara. Tsy vahaolana ny fitokonana, mety hanelingelina ny hafa mantsy izany kanefa fampandrosoana no ilaina. Vao maika hampiady ny samy malagasy izany ary mety hiteraka korotana eto amin’ny firenena. Aleo vahana am-pilaminana tsy anaty tabataba ny olana izay tokony hovahana haingana ary tokony hiezaka amin’ny famahana izany ihany koa ny fanajakana.
Nicole Rafalimananjara
