SocialTsidika

Miankina amin’ny rehetra ny mety hiverenan’ny fihibohana.

Somary tsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana hiarovana amin’ny Covid-19 intsony ny mponina eto Madagasikara amin’izao. Ilay aretina anefa mbola misy ary ny fanaovana goragora tahaka izao no mety hiverenan-tsika amin’ny fihibohana manaraka. Ny fanaovana aro vava orona no tokony tsy ho adino mihitsy mba hiarovana ny tena. Ny talata 02 martsa, notoloran’ny « LOI Confection » aro vava orona miisa 100 000 ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Notanterahana tetsy amin’ny lapan’ny tanàna izany fizarana aro vava orona vita amin’ny lamba izany. Mbola misy ny Covid-19 ary izay no anton’izao fanomezana izao ho an’ireo mpiasan’ny kaominina midina ifotony eny amin’ny vahoaka amin’ny resaka fampandrosoana. Aoka tsy hatoritory isika fa efa nandripaka olona maro tany amin’ny firenena samihafa ity tsimok’aretina ity. Miverina ho entitra ny fepetra mahakasika izany raha ny ao Nosy Be manokana noho ny fahabetsahan’ny marary tanatin’ny fotoana vitsy. Noho izany, miankina amin’ny tsirairay ny mety hiverenana amin’ny paik’ady fihibohana izay tena nampimenomenona ny vahoaka anefa. Manao antso avo amin’ny fiarovan-tenan’ny tsirairay araka izany mba tsy hiverenana amin’ny fihibohana intsony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire