SocialTsidika

Zava-dehibe amin’ny fandrosoana ny fampitaovana ho an’ny fandrimpahalemana.

Mila hamafisina ny fandrimpahalemana eto Madagasikara, mbola be ny ratsy mpamotika ny firenena izay tokony enjehina. Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny polisim-pirenena izay ampian’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nohatsairain’ny teo anivon’io ministera io ny asan’izy ireo ka notolorany fitaovana toy ny moto ho an’ireo vondrona manokana ny hery vonjy taitra. Ho entin’ny polisy hamonjena ao anatin’ny fotoana fohy sy haingana ireo mpiara-belona izay tra-pahavoazana mila vonjy raha sendra misy manafika ireto moto ireto. Eo ihany koa ny fitaovana hafa nomen’ny Minisitra ho ampiasaina amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny fifehezana sy fiarovana ny vahoaka. Mbola hisy fiofanana ho an’ireto polisy ireto mialoha ny handraisana sy hampiasana izany fitaovana izany. Matotra sy entitra tokoa ity ministera ity amin’ny fampandrosoana ireo hery velona iadidian’izy ireo. Ny fahandrimpahalemana tokoa no zava-dehibe indrindra amin’ny firenena iray mba hahafahana miroso am-pilaminana any amin’ny fandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire