SocialTatitra

Equateur : Raharaha fanondranana sokatra, polisy iray voasambotra

Polisy iray no voasambotra, ny alatsinainay 29 martsa, taorian’ilay raharaha fanondranana sokatra miisa 185 avy ao Galapanos. Fandikana ny lalàna mifehy ny zava-boaary ao an-toerana no hanamelohina azy hoy ny tribonaly ao Equateur. Mety higadra 3 taona farafahakeliny ihany koa ity polisy ity, hoy hatrany izy ireo. Raha tsiahivina, tratra tao anaty valizy iray, teo amin’ny seranam-piaramanidin’i Galapanos ny zana-tsokatra miisa 185 raha saika ho ahondrana any Guayaquil, amin’ny sisin-tany pacifique equatorienne (atsimo-andrefana). Nofonosana harona plastika tsifolofolo ireo sokatra kely izay vao napetraka tao anatin’ilay valizy. Teo amin’ny fotoan’ny fisavana ihany koa no nahitana fa efa maty ny 5 tamin’izy ireo hoy ny minisiteran’ny tontolo iainana ny alatsinainy 29 martsa. Tahotra manoloana ny fisarahan’izy ireo ny toera-ponenany no nitarika nahafaty ireo sokatra 5 ireo raha ny fanazavana hatrany. Nentina natao fitiliana tany amin’ny ivon-toeram-pitsaboana biby ireo sokatra kely ireo ary nanambara ny mpitsabo fa misy fahasarotana ara-pahasalamana avokoa izy ireo taorian’ny nametrahana azy tamina harona plastika. Araha-maso akaiky araka izany ny fahasalaman’ireo sokatra rehetra mbola velona.

Laisser un commentaire