PolitiqueTatitra

Coronavirus : Macron, Merkel, Johnson sy mpitantana 22 hafa hamorona fifanarahana manoloana ny areti-mandringana

Mpitarika firenena maherin’ny roapolo miaraka amin’ny filohan’ny filankevitra eoropeana ary ny filohan’ny OMS no nifanao antso avo, ny talata 30 martsa, hamorona fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny aretina coronavirus. Entina miatrika ny krizy ara-pahasalamana amin’ny ho avy izao fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo izao raha ny nambara. Nisy ny dinika natao araka izany ary naely nanerana ny kaontinanta 5 ny rakitra an-tsoratra mba ahafahan’ireo mpitondra samihafa manao sonia ny fifanekena. Anisan’izany ny i Emanuel Macron (France), Angela Merkel (Allemagne), Boris Johnson (Grande-Bretagne), Moon Jae-In (Corée du Sud), Cyril Ramaphosa (Afrique du Sud), Joko Widodo (Indonésie) ary Sebastian Pinera (Chili). Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny lamina hapetraka mahakasika ny fidirana sy ny fivoahana ny firenena iray. Eo ihany koa ny fifampitàna vaovao mahakasika ny fivoaran’ny aretina ao amin’ny firenena tarihin’ny tsirairay avy. Tafiditra ao anatiny ihany koa ny fitsinjarana mitovy ireo vaksiny fanefitry ny coronavirus. Tsy tafiditra ao anatin’ireo firenena nanao Sonia io fifanarahana io kosa i Etats-Unis, Russie, Chine, Japon, Inde ary i Brésil rah any vaovao.

Laisser un commentaire