Afrique : Hanatitra vaksiny maherin’ny 400 tapitrisa ny orinasa Johnson & Johnson
Vaksiny fanefitry ny coronavirus, avy amin’ny orinasa Johnson & Johnson, maherin’ny 400 tapitrisa no ho aterina amin’ireo firenen’ny Union africaine, hoy ny mpaninjara fanafody lehibe indrindra ao Amérique ny alatsinainy 29 martsa. Nanambara ny orinasa Johnson & Johnson (J&J) ny volana janoary lasa teo fa mahomby hatramin’ny 66% ny vaksiny fanefitry ny coronavirus vokarin’izy ireo. Raha araka ny fifanarahana natao tamin’ireo firenena afrikana hisitraka ny vaksiny rehetra, miisa 220 tapitrisa ireo vaksiny tsy mila famerenana fa iray ho an’ny olona iray ihany. Firenena 55 no hotolorana izany manerana ny Union Africaine ary efa hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fitsinjarana. Maro ny zava-tsoa hafa entin’ny vaksiny J&J raha miohatra amin’ireo vaksiny hafa. Anisan’izany ny fahafahana mitahiry azy amina maripana somary ambonimbony kokoa, izay manamora ny fitsinjarana azy amin’ireo firenena 55 ao amin’ny Union Africaine.
