Mayotte : Efa nisy nandroba sahady ny toerana fanaovana fanatanjahantena ao Kawéni
Vao ny 26 desambra 2022 teo no notokanana ny toerana fanaovana fanatanjahantena ao Kawéni dia efa nisy nandroba. Manoloana ny tranga dia nivory vonjimaika ny tompon’andraikitra niaraka ny ben’ny tanana, Ambdilwahedou Soumaïla, sampana teknika sy fikambanana ara-panatanjahantena samihafa.
Nakatona mandritra ny fotoana fohy ny toerana izy tompon’andraikitra ireo manoloana ny tranga. Fantatra fa nahongan’ireo mpandroba nandritra ny fanafihana ny « paniers de basketball latéraux » iray izay niongotra tanteraka tamin’ny tany, niala ihany koa ny vavahady vy fidirana, simba ny vata elektrika nisahana ny fanazavana ny toeranasy ny zavatra maro hafa.
