ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Zazavavy kely hita faty tao amin’ny kariera Ambohimahitsy

Zazavavikely iray, tokony ho enin-taona no hitan’ny mpandalo nitsingevana tao anatin’ny rano miangona ao amin’ny kariera Ambohimahitsy, ny alarobia hariva teo. Araka ny voalaza, nanomboka ny alatsinainy 30 janoary teo no nisy zazavavy kely very tao amin’ny fokontany Ambohimahitsy, ka heverina ho izao hita faty izao.

“Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay tena nahatonga ny loza sy nahafaty ity zazavavy ity fa efa ela no nanao filazana mahakasika ny fahaverezan’ity zaza ity ireo ray aman-dreniny. Ireo mpandalo tety amin’ny manodidina no nahita kapa nitsingevana tamin’ny rano ka nanaitra ny maro” hoy I Lova, mponina ao Ambohimangakely.

“Ity kariera ity aloha tsy mpisy rano fa noho ilay orambe nisesy dia izao dibo-drano izao. Tombatombana ny mety ho fisehon’ny loza avokoa no mipetraka amin’izao fa tena tsy fantatra mazava, misy ny nilaza fa nilalao teo amin’ny manodidina no nampianjera azy” hoy hatrany ireo mponina teo amin’ny manodidina.

Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny mahakasika izao tranga izao araka izany ireo tomponandraikitra sy ny mpitandro ny filaminana. Ao anatin’ny izany ihany koa no hanentanana ny rehetra mba samy ho mailo sy hanara-maso hatrany ny ankizy satria ny loza tsy mampilaza.

Manitra R.

Laisser un commentaire