Australie : Zazalahy kely iray no saika lanin’ny antsantsa
Zazalahy kely 8 taona antsoina hoe Manni Alam no notafihan’ny antsantsa tampoka rehefa nanjono tao amin’ny grande barrière de corail tao Australie. Rehefa nahazo trondro izy dia nalain’ilay lehilahy niarakka taminy mba hampisehoana izany ao amin’ny TikTok. Tamin’io fotoana io nefa no nivoaka tampoka ilay antsantsa ka azo horonantsary ary niparitaka tamin’ny tamba-jotra sosialy sy haino aman-jery samihafa ny tranga nahazo an’i Manni Alam.
Nivoaka tsy nisy ratra tamin’io fanafihana antsantsa io ilay zazalahy na dia nahatsiaro naharary kely ihany aza izy taorian’ny kaikitra nataon’ilay biby azy. Tsy hita moa ilay antsantsa taorian’ny saika nihinanany an’i Manni Alam. Marihina fa mpankafia ranomasina io zazalahy io, ary nilaza izy fa tsy mampiova ny fitiavany ny ranomasina iny tranga nahazo azy iny.
Nilaza kosa ny rain’i Manni Alam, Radwan Manni fa tranga fahita matetika ho an’ireo mpilomano anaty rano lalina (plongée) ny fanafihana antsantsa. Tamin’ny taona 2021 teo dia nahatratra 680 izany tranga izany.
