Nosy Be : Niova endrika ny tanàna
Vita tanteraka ny lalana eo Andampy hatrany Nosy Be. Niova endrika tanteraka ny tanàna. « Mahafinaritra ny mijery ny tanàna amin’izao fahavitan’ny lalana izao. Misaotra ny tompon’andraikitra tamin’ny fanampiana ny mpampiasa lalana tahaka izao » hoy i Vero, mponina ao Nosy Be.
« Mbola maro ny asa fampandrosoana ho atao eto. Mbola betsaka ny fanamboaran-dalana ho atao eto an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Misy ny natao tara, ary ao koa ny natao rarivato » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any Nosy Be. « Ilaina eo amin’ny asa fampandrosoana ny fahatsaran’ny lalana. Ny fitaterana no vahaolana voalohany ho an’ny firenena. Azo hohanina ny lalana satria miteraka hanina » hoy i Dera, mpianatra politika ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Misintona mpizaha tany ny fahatsaran’ny lalana. Mampiditra vola ho an’ny tanàna izy noho izany. Azo antoka ny fitaterana ny vokatra ao anatiny, ary tonga ny mpizaha tany avy any ivelany.
Nicole Rafalimananjara
