SocialTsidika

Toamasina : Mpivady novonoina tamin’ny fomba feno habibiana  

Mpivady efa nahazo taona no novoinin’ny tovolahy iray tao Toamasina ny alatsinainy 24 janoary teo. Tamin’ny faran’ny herinndro kosa vao hita ny fatin’izy ireo, tao an-tranony ihany.

« Nitondra entana hafahana ity lehilahy ity. Nasainay namerina ny entana nangalariny izy. Nolazainy fa efa maty aza ny tompon’ireo entana ireo » hoy i Benjamin, mponina ao amin’ny Toamasina. « Noteren’ny fokonolona ilay mpangalatra hanoro ilay trano notafihany. Akory ny hagagana fa faty roa be efa namoaka fofona no hita tao. Ny iray tao an-dalantsara, ny iray tao an-dakozia » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Toamasina. « Ilay lehilahy nagalatra ihany no nahavita namono azy mivady. Niverina hitaona ny entana tsikelikely izy no nisy nahatsikaritra » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Toamasina.

Niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana ny razana ny tompon’andraikitra tao Toamasina niaraka tamin’ny Fokonolona. Mila vahaolana maharitra tokoa ny resaka tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire