Anosy Avaratra : Nomendrahana ranom-panafody ny sekolim-panjakana
Norarahana fanafody ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 ny sekolim-panjakana rehetra tao Anosy Avaratra. Niditra tamin’ity herinandro ity avokoa mantsy ny mpianatra. Hiarovana ny fahasalaman’izy ireo no nanaovana izany.
« Fokontany 5 teto amin’ny kaominina no nisitraka ity famendrahana ranompanafody ity. Tao anatin’izany ny Fokontany Anosy, Ambohitrinimanga, Lazaina, Faravohitra ary Isahafa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. « Tena zava-dehibe amin’ny kaominina tokoa ny fahasalaman’ny mpianatra. Efa lasa mantsy iny ny andro ratsy kanefa ny covid-19 dia mbola mitoetra eto amintsika foana » hoy i Harimino, ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Isahafa. « Nanjary adino nandritra ny andtro ratsy ny coronavirus. Ny tra-boina mitombo ihany tamin’ireny nefa tetsy an-kilany ihany koa ny isan’ny marary ny coronavirus” hoy i lanto, mpitsabo.
Tsy tokony ho hadinoina tokoa fa anatin’ny hamehana ara-pahasalamana hatrany isika. Ny teto Analamanga no be tra-boina indrindra ary tsy adino ihany koa fa eto Analamanga no be mararin’ny covid-19 indrindra. Tsara raha hajaina hatrany ireo fepetra efa napetraka.
Nicole Rafalimananjara
