Ambohimangakely : Varavarana nisy nanongotra
Nisy nangalatra nanongotra avokoa ny varavarankely sy varavarambe rehetra tamin’ny trano iray ao Ambohimangakely. Efa nametraka fitarainana teny amin’ny Zandarimariam-pirenena eny Ambohimangaakley ny tompony.
« Nisy nangalatra avokoa ny varavarankely sy varavarambe amin’ny tranonay vao namboarina. Tena tsy mampino ny zava-nisy. Tsy nisy nijanona na iray aza kanefa lafo vidy avokoa » hoy ny tompon-trano. « Ny zoma hifoha sabotsy lasa teo no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa ratsiny. Tsy maintsy olona eto ihany no nahavita izao. Hirariana mba ho hita ny tena marina amin’ity raharaha ity. Mampalahelo loatra ny tompon’ilay trano » hoy I Hanta, mponina ao Ambohimangakely.
« Iangaviana izay olona mahita ny olona mitady hivarotra varavarankely sy varavarambe mba hampandre anay Zandary avy hatrany. Azo atao ihany koa ny manantona ny tompon-trano avy hatrany. Ilaina tokoa ny fiaraha-miasa amintsika vahoaka » hoy ny avy ao amin’ny zandarimaria Ambohimanagakely.
Fotoana tokoa ny tahaka izao hampisehoana ny fiaraha-miasan’ny Zandary sy vahoaka. Ny vahoaka mantsy no tena mahita ny eny ifotony rehetra eny. Ny mpitandro filaminana kosa no manana ny andraikitra hisambotra izay olona heverina ho meloka. Ny fitsarana no manome ny sazy ho an’ny olo-meloka. Tsara raha samy hitàna ny andraikiny avy ny rehetra.
Nicole Rafalimananjara
