Efa noraisin’ny CNAPS ary eo am-pandinihana amin’izao fotoana izao ny fangatahana maro napetraky ny zokiolona mikasika ny fanomezana solombodiakoho sy ny fampiakarana ny fisotroan-dronono. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa mbola tsy maintsy atao aloha ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-bola, mba hahazoana antoka fa mifanaraka amin’ny lalàna velona sy miantoka ny faharetan’ny tahirim-bola ny fanapahan-kevitra horaisina.
Rehefa vita izany, dia tsy maintsy ankatoavin’ny filankevim-pitantanana sy ny Minisitera mpiahy ny teti-bola voafaritra, vao azo tanterahina ny fampiakarana. Amin’izao fotoana izao, miandry izany fankatoavana izany ny CNAPS, araka ny fanazavana ofisialy navoaka.
Statut : Miandry fankatoavana farany