Sazy henjana no hiandry ireo olona tratra manao kolikoly eny an-dalambe
Sazy henjana no hiandry ireo olona tratra manao kolikoly eny an-dalambe, araka ny fampitandremana farany navoakan’ny tompon’andraikitra omaly.
Nisy fihaonana natao tamin’ireo Polisimpirenena miasa eny an-dalana sy ireo mpamily taxibe 194 sy zotra D teny 67 Ha Vatobe sy Andranomena, izay nifantoka tamin’ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Notsindriana manokana ny fanajàna ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ireo fiara mpitatitra, ary nampahatsiahivina ireo Polisimpirenena fa tsy hisy fandeferana intsony amin’ny kolikoly.