Ambohimanambola : Nasiam-panamboarana ny fefiloha
Misy ny fanamboarana ny fefiloha Ivovoka Morarano amin’ny kaominina Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Marihina fa isan’ny miantoka ny famatsian-drano ny kaominina ity fefiloha ity.
« Adidintsika tsirairay ny manaja sy mikolokolo ny fananana iombonana mba hampandroso ny kaominina » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Nisy volam-bahoaka tamin’io asa io ka aoka hahay hikolo izany ny mpampiasa azy » hoy i Felix, mponina any an-toerana. « Aoka ho tohizana hatrany ny ezaka tahaka izao fa tena tsara sy mahasoa ny tanàna tokoa mba ho reharehan’Ambohimanambola » hoy i Tsilavina, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo monina eny Ambohimanambola.
Maro ny hetsika ho fanatsarana ny tanàn’Ambohimanambola efa mizotra ankehitriny toy ny fanamboaran-dalana ao Tanjonandriana, ny fanadiovana ny tanàna, ny fananganana ny biraom-pokontany ao Ambohimahatsinjo. Rehefa mahay miara-mientana tokoa ny mpitondra sy ny vahoaka ka mifanampy dia tonga ho azy ny fandrosoana. Irariana ny mba hisian’izay fahaizana miara-miasa eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka izany manerana ny nosy. Efa azo lazaina ho mandroso ve ny tanàn’Ambohimanambola ?
Nicole Rafalimananjara
