Maro ireo tanora tsy an’asa eto Madagasikara
Anisan’ny firenena manana tanora manam-pahaizana maro raha i Madagasikara manokana, saingy mbola misy amin’izy ireny no tsy manana asa ankehitriny. Tsy tambo isaina anefa ireo mpianatra manohy fianarana eny amin’ny anjery manontolo, sy ireo mpianatra mivoaka amin’ny fianarany ka mahazo diplaoma mifanandrify amin’izany. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny fisian’ireo oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana izay mihamaro ankehitriny.
Na eo aza izany, mbola manana taha ambony amin’ny tsy fisian’ny asa i Madagasikara. Anisan’ny maro amin’izy ireny ny tanora. Efatra tapitrisa eo ho eo ny tanora tsy an’asa amin’izao fotoana, ka manodidina ny telo tapitrisa amin’izy ireo no nahavita fianarana, izay nanome ny taha 50% no mihoatra. « Tsy mifanaraka amin’ny diplaoma hananako ny karama homen’ny mpampiasa ahy koa zany no nijanonako tamin’ny asa » hoy i Mino, tanora tsy an’asa.
« Ny famoronana asa ho an’ny tena manokana no tena vahaolana tsara indrindra ialana amin’ny tsy fisian’ny asa, famoronana mifanaraka amin’ny lalam-piofanana nianarana » hoy i Hanta, mpandraharaha madinika. « Maro ny tanora manana diplaoma eto Madagasikara saingy tsy manana traikefa hidirana amin’ny sehatry ny asa, zavatra roa mifameno sy mifampiankina nefa ireo rehetra hiditra amin’ny asa ianao » hoy i Mahefa, mpampiofana arak’asa ireo tanora.
« Olana eo amin’ny rafi-panabehazana no nahatonga ireo tanora tsy an’asa, rafim-panabehazana izay mamolavola ny tanora ho lasa mpiasa fa tsy ho mpamorona asa » hoy i Saholy Tiana Ramamonjisoa, filoha mpanorina ny « fikambanan’ny tanora hoavin’i Madagasikara ». Sehatra maro no afaka hivelaran’ny tanora amin’ny resaka asa, afaka atao asa hivelomana ary hantenaina fa tena hahahomby tanteraka ny fikaraikarana ny teknolojia. Anisan’ireo sehatra izay ahitam-pivoarana isan’andro ity sehatra ity. Tombony maro izay sitrahan’ny vahoaka manontolo ny fandrosoana entiny. Ilaina ny toetra tia karokaroka ho an’ireo tanora, tsy mila miandry tolotr’asa avy amin’ny fanjakana intsony ny tanora vokar’izany.
Singa iray mitarika fampandrosoana ho an’ny firenena iray ny fisian’ny mpandraharaha eo aminy, noho izy miteraka fampanan’asa ho an’ny mponina no afaka mamatsy ny fanjakana. Tandraho ny talenta hananao, havadio ho asa hahafahamao mivelona fa aza miandry fanampiana lalandava, tsy very mandeha izany ny olona nianatra.
Haingotiana Andriamihaja
