ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Ho tanterahina eny amin’ny kianja By-pass ny « Grand-final coupe omby »

Amin’ny alahady ho avy io no hanatanterahana ny grand final coupe omby, eny amin’ny kianja By-pass Ambohimangakely. Efa vonona avokoa ireo ekipa mpilalao hifanandrina amin’izany lalao famaranana izany, raha ny voalaza.

« Faly ny filoha sy ny ekipa rehetra, indrindra ny avy ato amin’ny FC Amis eto amin’ny fokontany Gara Ambohimanambola, manasa antsika rehetra, mpanohana sy mpankafia ny baolina kitra ho avy hanohana ny ekipa amin ‘ny alahady io » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra mpikarakara.

« Fotoana iray sady hanalana voly no hanohanana ny ekipa amin’io alahady io. Tahaka ireo lalao efa mpiseho ety an-tanàna, milamina sy mahoraka foana io ary tena mahatsara azy ilay mivoaka kely ny famaranana amin’ity, tena hiady ny lalao » hoy i Fidy, mpilalao baolina kitra.

Hanomboka amin’ny roa ora tolok’andro moa ity lalao famaranana ity ary hanasana ny rehetra sahady hijery sy hanohana ireo ekipa mpilalao mandritra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire