Sabotsy Namehana: Notolorana fanamiana ireo mpanentana ara-pahasalamana
Mpanentana ara-pahasalamana miisa 34 no notoloran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana fanamiana sy karatra famantarana (badge) tamin’ny alatsinaina lasa teo. Ny hanamorana ny asa izay sahanin’izy ireo no tanjona tamin’ny fanomezana izany.
« Ao anatin’ny ezaka izay ataon’ny kaominina, eo lafin’ny fanentanana ara-pahasalamana, indrindra ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny amin’izao fotoana izao, dia nomena lanja ireo mpanentana ara-pahasalamana mba hanamora ny fanentanana ataon’izy ireo » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ho anay mpanentana ara-pahasalamana tokoa ny fanomezana nomen’ny tomponandraikitra izao. Ireo famantarana ireo izay enti-manatsara ny asa atao sy ny andraikitra izay sahanina ho an’ny tombotsoan’ny rehetra » hoy i Henriette, mpanentana ara-pahasalamana.
Anisan’ny mariky ny fandraisana andraikitra sy ny fahamatorana amin’ny sehatry ny asa ny fiavahana amin’ny fanamiana sy ny karatra famantarana tahaka izao. Ilaina ihany koa izao mba hafantaran’ny olon-drehetra ireo tena mpanentana ao anatin’ny fahasalamana.
Manitra R.
