ActualitésTsidika

Jirama : Tsy ampy ny tanjaky ny herinaratra avy ao Ambohimambola

Tsikaritra tato ho ato ny fiverimberenan’ny fahatapahan-jiro indrindra amin’ny hariva, eny amin’ireo faritra manodidina ny renivohitra sy  ny manodidina. Tsy ampy ny tanjaky ny herinaratra miainga avy ao Ambohimanambola, izay mamatsy ireo toby manodidina an’Antananarivo ka mahatonga ny fahatapahana araka ny voalaza.

« Noho ny tsy fahafenoin’ny tanjaky ny herinaratra mahery vaika ao Ambohimanambola mitondra herinaratra mamatsy ny tranon-jiro ao Ambodivona, Tana-Ouest, Ambohijatovo, Mandroseza sy Tana-Sud no anton’ilay fahatapatapahana. Efa an-dalam-panarenana izany anefa ireo teknisiana ka aorian’izany dia hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra » hoy  ny avy ao amin’ny jirama.

« Miteraka fanafitohinana sy fati-antoka ho an’ny mpampiasa herinaratra ny fahatapahan-jiro matetika. Misy akony lehibe amin’ny fidiram-bola an-davan’andro ilay izy. Ilaina fanapahan-kevitra matotra avy amin’ireo tomponandraikitra isa-tsokajiny ny famahana io olan’ny jiro io » hoy i Andry, mpitantana « cyber ».

Efa zary lasa fahazaran’ny mponina ny fahatapahan-jiro. Manentana hatrany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny anefa amin’ny fijerena vahaolana mati-paika amin’ny famahana ny olan’ny herinaratra. Anisan’ny miteraka voka-dratsy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny haizina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire