France : Maro ny zavatra nosantarin’i Thomas Pesquet
« Spationaute » i Thomas Pesquet. Teraka ny 27 febroary 1978 tao Rouen, ao Seine-Maritime izy. Nanaraka fiofanana injeniora « aéronautique » tao amin’ny ISAE-SUPAERO (Institut Supérieur de l’Aéronautique et de l’Espace) tao Toulouse ary nisehatra asa maro mahakasika izany talohan’ny nahalasa « pilote de ligne » azy tamin’ny taona 2005.Tamin’ny 2009 izy no tafiditra tao amin’ny lisitry ny vondrona « spationaute » telo natsangan’ny ESA (Agence spatiale européenne). Ny 17 novambra 2016 kosa izy vao lasa Français fahafolo niakatra tany amin’ny habakabaka tao anatin’ilay Soyouz MS-03. Ny volana jolay 2020 teo kosa indray izy vao voasafidy nanatanteraka hiraka faharoa tao anatin’ilay « capsule Crew Dragon » namboarin’ny orinasa SpaceX. Européen voalohany nitaingina ny Crew Dragon ihany koa ny tenany.Ny 23 aprily 2021teo izy no niverina tao amin’ny « Station spatiale internationale » (ISS) indray ary lasa olona voalohany avy ao France kaomandan’ny ISS.
