ActualitésTatitra

France : Lasan’i France ny tompon-dakan’i Europe amin’ny fivarotan-kena

Notontosaina ny herinandro lasa teo tao Clermont-Ferrand ny fiadiana ho tompon-dakan’i Europe voalohany amin’ny fivarotan-kena (Coupe d’Europe de boucherie). Olona 470 no nandray anjara tamin’izany, nizara ekipa nampivondrona olona dimy avy ireo ary didy hen’omby, ondry, kisoa, akoho amam-borana tsara indrindra no nitsarana azy.Lasan’i France ny amboara tamn’io fifaninana io. « Hibata ny fandresena amin’ny fifananana iraisam-pirenena ao Sacramento amin’ny volana septambra 2022 no tanjona » hoy Jean-François Guihard, filohan’ny « Confédération française de la boucherie-charcuterie ». Hena 970 kilao kosa no lany tamin’io fifaninana io raha ny fanazavany saingy sy nisy very izany hoy izy satria nozaraina tamin’ireo « Restos du cœur » tao an-toerana.

Laisser un commentaire