Chine : Laharana akademikan’ny oniversite eran-tany nataon’ny Oniversite Jiao Tong ao Shanghai
Ny filaharana akademikan’ny oniversite eran-tany nataon’ny Oniversite Jiao Tong ao Shanghai dia filaharan’ireo anjerimanontolo malaza indrindra eran-tany nalahatry ny mpikaroka maromaro tao amin’ny Oniversite Jiao Tong ao Shanghai.
Nalahatra araky ny fepetra enina ireo oniversite ireo, anisan’izany ny isan’ny zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny gazety siantifika « Nature et Science », ny isan’ny mpikaroka voatonona matetika, ny isan’ny « prix Nobel » sy ny medaly « Fields » nomena ireo mpianatra taloha sy ireo mpiasan’ny anjerimanontolo ary ny mari-pamokaran’ny mpampianatra.
Nanomboka tamin’ny taona 2003 no nisy io filaharana io. Anisany ireo voalahany hatramin’izay i Harvard, narahin’i Stanford sy Cambridge ary Massachusetts Institute of Technology izy ny taona 2020.
