Pays-Bas : Lehilahy iray no nohelohina noho ny fanalàna fimailo tsy nahazo alalana nandritra ny firaisana ara-nofo
Voalohany tao Pays-Bas ity tranga ity. Lehilahy iray 28 taona no nandalo tao amin’ny tribonaly tao Rotterdam ny talata teo rehefa nanala fimailo antsokosoko nandritra ny firaisany ara-nofo tamin’ny vehivavy iray. Raha ny fanazavana nefa dia efa nandrara ary nifanaraka ny tsy hanala izany ity farany.
Io fihetsika io no atao hoe « Stealthing » raha ny fanazavan’ny tao amin’ny tribolany. Nampidi-doza ny tenany sy ilay vehivavy noho ny mety fifindran’aretina na vohoka tsy niriana ilay lehilahy manoloana io fihetsika nataony io raha ny fanamafisan’izy ireo. Nanampy kosa ireo tompon’andraikitra fa tsy raharaha fanolanana ity raharaha ity fa fandikana ny fifanekena amin’ny fampiasana ny fimailo fotsiny ihany.
Manoloana ny tranga dia nohelohina higadra 3 volana sy nandoa lamandy 1 000 euros ilay lehilahy. Tamin’io andro ihany koa dia nisy lehilahy 25 taona nanadino nanao fimailo notsaraina tao an-toerana.
