Fotodrafitr’asa: Hatomboka eny 67ha sy Isotry ny fanamboaran-dalana
Araka ny fampanantenana avy amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy dia asa laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana anatin’ny Renivohitra rehetra. Eny 67ha sy Isotry no hanaombohana ny fanamboarana rah any eto Antananarivo Renivohitra no resahina. Hatomboka anio izany asa izany izay hiarahana amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
“Misy ny lamina izay hapetraka araka izany ka ny rehetra mihitsy no tokony hanaraka izany. Misy fahatapahana tanteraka ny lalana Agosthino neto eo Isotry izay miainga eo amin’ny sampanana miditra eo Ambodin’isotry hatreo amin’ny Aigle Noir. Misy ny fivilianana ka ireo izay hihazo Ny Havana sy 67ha rehetra dia manohy ny lalana Agosthino Neto (arrêt 30) ka manraka ny lalan Boulevard Pierre Rajaonah (Vatobe) makany amin’ny tany malalaka”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy.
Ilaina ny fanamboaran-dalana toy izao satria manimba fitaovana ny lalana ratsy sady miteraka fitohanana. Rehefa manamboatra lalana ihany koa anefa dia miteraka fitohanana ihany ka tokony jerena akaiky ny mahakasika izany fanamboarana izany mba ho vetivety sy tsy hanohintohina ny fifamoivoizana, hoy ireo mpampiasa matetika iny lalana iny.
Hanomboka araka izany ny fanarenana ny simba ka ilaina ny mailo sahady amin’ny mety ho fikorontanan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanana eny amin’iny faritra iny izay mety hitombo avo roa heny. Samia mandray ny fepetra mety aminy ny tsirairay amin’izay fotoana ho vonjena.
Miora Raharisolo
