ActualitésTsidika

Orinasa ho an’ny vehivavy: Miisa 500 ireo vehivavy izay nahazo fampiofanana fampitomboana fahalalana

Nandritra ny fankalazana ny andron’ny vehivavy isaky ny 8 martsa dia nanokatra varavarana ho an’ny vehivavy miisa 500 ny vadin’ny Filoha amin’izao fotoana. Nasehony tamin’ny alalan’ny fampiofanana ireo vehivavy ireo izany. Miisa 500 avy amin’ny faritra 23 eto Madagasikara no nisitraka izany fampiofanana izany hahafahan’ny vehivavy rehetra miavo-tena sy mamorona ny asany. Ny lohahevitra izay noraisina ihany koa nandritra izany fankalazana ny 8 martsa izany di any mahakasika ny fampianarana ho an’ny vehivavy izay hahafahan’ireo vehivavy tsy miankindoha amin’ny lehilahy intsony. Tsy hijanona mandritra ny fankalazana fotsiny ihany ny ezaka fa hitohy foana.

Laisser un commentaire