Zava-boahary : Misy « Flamant Rose » eto Madagasikara
Maro ireo toerana ahitana ny « flamant rose » eto Madagasikara. Anisan’izany ny farihy Tsimanampetsotsa ao Toliara. Ahitana azy ihany koa ao amin’ny valan-javaboahary Baie de Baly, ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Soalala ao Mahajanga, indrindra amin’ny andro ririnina toy izao. Ankoatr’ireo dia hita ao amin’ny Saint Augustin ao Onilahy ihany koa izy ireo.
