ActualitésTatitra

Maurice : Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny nosy sy i Togo

Maniry ny hanangana fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa ao Maurice i Togo, indrindra ny fametrahana ny «Zone de libre-échange continentale». Manoloana izany dia nanatanteraka iraka tao an-toerana ny minisiteran’ny fampiroboroboana sy ny fampiasam-bola tao Togo.

Ny ministra Rose Kayi Mivedor-Sambiani no nitarika ny iraka niaraka tamin’ireo solonten’ny sampan-draharaham-panjakana sy tsy miankina avy tao Togo. Mandritra izany dia nifanerasera tamin’ny EDB (Economic Development Board) izay sampana nasionaly ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola izy ireo. Teo ihany koa ny fijerena ifotony ny fepetra noraisin’i Maurice manoloana ny « numérisation des services publics » sy ny fampandosoana ny « chaînes de valeurs industrielles ».

Nandritra ny fitsidihana kosa dia nisy ny fanaovana sonia fifanarahan’ireo solotenan’i Togo sy ny EDB ka misy ny delegasiona avy amin’ny sehatra tsy miankina ao Maurice andrasana ao Lomé amin’ny fiandohan’ny telovolana faha-4.

Laisser un commentaire