JIOI 2023 : Horaisin’ Madagasikara izany amin’ity andiany faha-11 ity
Taorian’ny fivorian’ny filan-kevitra internasionalin’ny lalaon’ny Nosy dia tapaka fa i Madagasikara no handray izany lalao goavana be izany ny taona 2023. Vinavinaina hotanterahina ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septembre 2023 izany hetsika izany. Voatana avokoa noho izany ireo taranja miisa 23 izay hilalaovan’ny mpilalao, izay efa noresahina ny volana janoary 2022 teo.
« Mahakasika ireon kianja sy ny foto-drafitr’asa dia tsy maintsy hisy ny fanamboarana hahafahana manolotra fitaovana hari-fenitra ho an’ny mpilalao sy ireo mpijery. Tsy maintsy ny fampanarahana ny fenitra amin’ireo foto-drafitr’asa ireo ka hanomboka tsy ho ela izany », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko, filoha mpitantana ny Comité Olympique Malagasy.
« Mahafinaritra foana ny maheno vaovao tsara toy izao. Betsaka ny tombony ho antsika mpampiantrano rehefa toy izao. Mety hampiakatra kely ny fari-piainan’ny sasany. Mety hahazoan’ny sasany traikefa. Ny firenena mihitsy no mety hisy fandrosoana satria betsaka ny foto-drafitr’asa no ho amboarina kanefa mila homanina mialoha daholo ny Malagasy rehetra amin’ny mety ho olana aterak’izany, izay tsy maintsy hisy », hoy ny mpandinika raharaham-pirenena iray.
Tombony betsaka ho an’ny Madagasikara ny fandraisana izany lalao izany. Tombony ihany ko an’ireo mpilalao fanatanjahantena. Mila miomana dieny izao ireo mieritreritra ny handray anjara noho izany mba tsy hampitsanga-menatra ny firenena. Amin’io volana desambra ho avy io no hanatanterahana ny fivorian’ny komity manaraka.
Miora Raharisolo
