JIRAMA:Maminavina ny handefa orana artifisialy
Ho fampandehanana ny foibem-pamokarana herinaratra ao Andekaaleka dia maminavina ny hamokatra orana artifisialy ny orinasa JIRAMA sy ny avy amin’ny sampana mpantatra ny toetry ny andro eto Madagasikara.
“ Nohon’ny fidinan’ny ahavon’ny rano aloha loatra dia voatery nohidiana ireo tohodrano any an-toerana nanomboka ny faran’ny volana Aprily lasa teo ho fitsitsiana ny rano. Ka noho io antony io dia voatery miroso amin’ny famokarana orana artifisialy ny orinasa ho fisorohana ny mety ho fahatapahan-jiro miverimberina.” Hoy ny avy amin’ny JIRAMA
“ Tsy misy afa-tsy ny fihavian’ny orana ihany no ahafahana mampiakatra indray ny rano any amin’ireny tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA ireny. Isika eto Madagasikara anefa mbola ho ela vao hahazo rotsak’oraana . Noho izany dia efa voaresaka fa hiroso amin’ny famokarana orana artifisialy ny orinasa JIRAMA izay firaha-miasa aminay eto anivon’ny fampahafantarana ny toetry ny andro.” Hoy ny avy amin’ny Météo Madagasikara.
Tobim-pamokarana maromaro no tratran’ity fidinanan’ny rano ity ankehitriny toy ny any Tsiazompaniry, Mantasoa ary Mandraka. Ahiana araka izany ny mety hisian’ny fikorontanana eo amin’ny famatsiana herinaratra raha toa ka tsy voavaha haingana ity olan’ny rano any amin’ny tobim-pamokarana ity.
Miranto Andrih
