ActualitésTsidika

Manandriana : Fahasalamana mitety vohitra

Hetsika efa fanao isan-taona ao Manandriana ny fahasalamana mitety vohitra. Misy noho izany ny didimpoitra faobe isaky ny asabotsy amin’ity volana jona ity ao amin’ny kaominina Manandriana.

« Entina hanampiana hatrany ny mponina manoloana ny fahasahiranana misy no hanaovana izao hetsika ara-pahasalamana izao. Tsara raha misoratra anarana mialoha izay liana amin’izany diidmpoitra faobe izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Manandriana. « Andro ririnina tahaka izao tokoa no fanaovana ny famoran-jaza. Manamaina vetivety ny fery mantsy izany » hoy i Samuel, mpitsabo nentim-paharazana. Fomba malagasy tsy hita izay maharatsy azy ny famoran-jaza. Mbola mifono soatoavina maro izy na dia efa miditra aza ny fitsaboana maoderina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire