ActualitésTsidika

Miandrivazo : Nampidirana zana-trondro ny ranovory Betsioka

Nampidirana zana-trondro « carpe » 5 000 isa ny ao amin’ny ranovory Betsioka, fokontany Soatanimbary, kaominina ambanivohitra Manambina, distrikan’i Miandrivazo ny faran’ny herinandro teo ho fanatsarana ny velon-tenan’ny mponina sy hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mbola hitohy ny hetsika, zana-trondro 10 000 isa no fkendrena haparitaka ho famaliana ny hetahetan’ny mpanarato. Eo koa ny hamerenana ny trondro « carpe », izay lany tamingana tao amin’ity ranovory ity, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert.

Laisser un commentaire