ActualitésSportTsidika

SSMAF 2023: Aza adinoina ireo fampisehoana Parkour, bike, skate ary ny ara maro-seho samihafa

Ny sabotsy 15 jolay teono nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, eny amin’ny BTC Ambohimangakely ny hetsika SSMAF. Efa mandeha avokoa ireo fifaninana amin’izao fotoana. Misy ny concours photo, parkour, bike ary skate amin’izao fotoana.

“Mizara efatra mazava ny fizaram-potoana ho an’ny fanatanterahana ny SSMAF amin’ity andiany manaraka ity. Voalohany amin’izany, manomboka ny andro fanokafana ofisialy izay ny “public event”, ny zava-kanto izay fanomezan-danja ny mozika sy ny ara-kolotoraly, ny “foire” izay hiantseheran’ireo orinasa sy tomponandraikitra isan-karazany ary ny “sports event” izay mampiavaka ny SSMAF” hoy I Hasina, tomponandraikitra mpikarakara ny hetsika.

“Ho an’ny andro voalohan’ny hetsika moa dia io no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny SSMAF. Mandritra izany dia hisy sahady ny fampisehoana ataon’ireo mpanatalenta amin’ny taranja Parkour, ny bike ary ny arts martiaux” hoy hatrany ny fanazavana.

Fotoana iray fananararaotra hanehoana sy hitrandrahana ny talenta ny SSMAF. Amin’ity andiany ity moa dia an’arivony ireo mpandray anjara handrasan’ny mpikarakara amin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire