Miparitaka indray ny zava-mahadomelina.
Tsy mitsahatra mahazo vahana hatrany ny fanondranana zava-mahadomelina ankehitriny. Maro amin’ny Malagasy no efa tratra amin’ny fanaovana izany. Miverina amin’ny asa ratsiny ihany anefa izy ireo rehefa mahavita ny saziny. Olona maro, indrindra ny tanora no tena potika voalohany amin’ny fanjifana azy io. Tsy mijanona eto amin’ny firenena ihany anefa, fa efa maro ihany koa ny manafatra izany any amin’ny firenena hafa. Manamarina izany ity tranga iray avy any Ihosy ity. Rongony milanja roa taonina latsaka no tra-tehaky ny zandary. Ny marainan’ny 17 martsa teo, tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Ankadilagna, tanan’Ihosy no nahitana izany raha saika ho entina hihazo an’Antananarivo. Noraisim-potsiny izy rehefa nanao ny fisavana ny zandary. Olona iray monina ao Ambodivona Antananarivo no voalaza fa tompon’ny fiara. Efa tsy misy fanahy henatra intsony ny tanora amin’izao fotoana mifoka izany eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra eny. Goragora ny sazy azon’izy ireny hany ka tsy mampaninona azy ireny na miverina matetika any am-ponja aza. Ny lalàna no mamaritra fa mahazo sazy henjana ny fanaparitahana sy ny fanjifana rongony. Mampirongatra ny trangam-panolanana sy ny fandrobana ary fanendahanan ny fifohana azy.
Fanilo Rarivoarilala
