SocialTsidika

Ministeran’ny fanabeazana : Namolavola tetika hiatrehana ny adina ara-panatanjahan-tena amin’ny BEPC

Nanapa-kevitra ny avy ao anivon’ny Minsiteran’ny Fanabeazam-Pirenena fa misokatra daholo ny sekoly ho an’ny mpianatra rehetra, ankoatra ny ao amin’ny CiSco fito, na ny kilasim-panadinana na ny anelanelany. Izany no natao ho fanajana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 12 may 2021 lasa teo, ary ho fanamafisana ny resaka nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fahitalavi-panjakana ny alahady 16 may 2021 teo. CiSco fito (07) ihany no tsy mbola manaraka izay fepetra izay ka misy an’Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo, Atsimondrano, Avaradrano, Antsirabe I, Fianarantsoa I ary Tolagnaro, izay ny kilasim-panadinana ihany no mianatra. Io no nambaran’ny Tale Jeneraly misahana ny fotodrafitrasa an-tsekoly (DGES) eto anivon’ny MEN, Ralainirina Razokiny Eric. Namolavola paikady manoloana ny fiatrehana ny adina ara-panatanjahan-tena (EPS) amin’ny fanadinana BEPC ny Minisitera mba hahazoan’ireo mpiadina amin’izany ny naoty ara-panatanjahan-tena, hoy ny Tale Jeneraly misahana ny fampianaranaa (DGP) Raoniherijaona Andriamiakatsilavo. Noho izany, hisy fanapahan-kevitra  ho entina hanatanterahana izany, toy ny hanadinana ny « Épreuves physiques collectives» ho am-bava na « orale » mba hisorohana ny fitakosonan’ireo mpiadina » sy ny fanaovana « épreuves physiques individuelles » eny an-kianja na « pratique » hoy ny nambaran’ity farany. Miandry ny toromarika arak’izany ny eny anivon’ny CISCO vao manomboka manatanteraka ny adina EPS, aorian’ny famolavolana io paikady io, ary tsy mbola misy ny daty mivoaka amin’ny fanatanterahana izany. Ny hanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra sy ny fepetra ara-pedagojika izay efa iainana hatrizay ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus no tena tanjona amin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire