Faritra Atsinanana : Manomboka ny fanaovam-baksiny
Efa saika nahazo ny anjara vaksininy avokoa ny faritra rehetra, akoatra ireo faritra saro-dalana izay hanaterana amin’ny fiaramanidina androany. Efa miroso amin’ny fanaovam-baksiny kosa ireo efa nahazo. Raha ho an’ny faritra Antsinanana manokana izao, nahazo fatra 11 000 izy ireo ka niroso avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny andiany voalohany araka ny fandaminana iraisana amin’ny foibe. 11 000 fatra ny vaksiny atokana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ho an’ireo olona marefo, ireo zoky olona, ary ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Nihatrika ny fanombohana izany fanaovam-bakisiny izany androany ireo mpikambana ao amin’ny CRCO Atsinanana, notarihin’ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore. Nanentana hatrany izy ny mba hiarahana miady amin’ity valanaretina ity, ary koa ny hitandreman’ny rehetra hatrany amin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana mbola manan-kery. Hita nihena izany valanaretina izany, ary izany no nahatonga ny fanokafana ny Faritra Atsinanana izay nolazain’ny Praiminisitra ny alahady 16 may lasa teo. Mazoto amin’ity fanaovam-baksiny ity ve ny mponina ao amin’ny faritra Atsinanana ? Isan’ireo faritra voa mafy tamin’ny valan’aretina andiany voalohany iny mantsy ity faritra ity.
Nicole Rafalimananjara
