Tsy fisian’ny solika : Saika nahitana filaharana avokoa teny amin’ny tobim-pivarotana
Nanomboka ny talata 02 aogositra teo dia saika nahitana filaharambe avokoa teny amin’ireo tobin-tsolika sasany teto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Raha ny fanambarana navoakan’ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) ny andron’io 02 aogositra io ihany anefa dia ampy tsara ho an’ny filàn’ny mpanjifa manerana ny nosy ny habetsaky ny tahirin-tsolika (lasantsy sy gasoil) eo amin’ireo toby fitahirizan-tsolika manerana ny firenena, ary misy hatrany ny fitsinjarana solika ho an’Antananarivo sy ny faritra hafa.
Ireo olon-tsotra kosa anefa etsy ankilany dia manahy fa ho mafy ny akon’izao filaharana izao. « Vokatr’izao filaharana izao izany dia tsy maintsy hiakatra be amin’izay vidin-javatra rehetra satria refa tsy misy ny solika dia mihena koa ny fivezivezen’ny entana ilaina andavan’andro » hoy i Faneva mpanampy ny mpamily. « mety hoe hampihena ny fiara mandeha eny andalana kosa rehefa tsy misy ny solika, tsy misy azo atao fa dia ny fiomanana ain’ny fiantraikan’izao no tokony atao » hoy koa i Haingo mpandeha fiara iombonana.
Any amin’ny faha 9 ny volana aogositra no vinavinaina hahatongavan’ny sambo mitondra ny solika, ary ny faraparan’ny volana aogositra ihany dia ho tonga ny sambo faharoa. Hatreto anefa dia mbola tsy fantatra mazava ny tena antony mahatonga izany ary mangataka fanazavana mahakasika izany ireo mpanjifa.
Manitra Ramanantsoa
