ActualitésTatitra

Belgique : Lehilahy iray namono ny zanany roa vavy

Raim-pianakaviana iray 44 taona antsoina hoe Chris V. no namono ny zanany roa vavy, Ona, 5 taona sy Maud, 8 taona. Tao amin’ny toeram-ponenan’izy ireo ao Waardamme, tsy lavitr’i Bruges no niseho ny tranga ny herinandro lasa teo. Hita faty tao amin’ny toeram-pambolena ovy ny iray tamin’izy roa vavy raha tao an-trano kosa no hita faty ny iray.

Marihana fa efa nisaraka tamin’ny vadiny volana maromaro izao io raim-pianakaviana io. Rehefa nokarohana nandritra ny ora maromaro ity farany dia vosambotrin’ny manam-pahefana ihany. Nikasa namono tena io lehilahy io izay nanenina tamin’ny fihetsika nataony. Nialatsiny izy ary nilaza fa « ny rafozan-dahiny no nanimba ny zava-drehetra ».

Fantatra fa tsy nazaka ny fisarahana io lehilahy io izay tsy nifandray firy tamin’ny vadiny sy ny fianakaviam-badiny intsony.

Laisser un commentaire