Haïti : Mponina aman-jatony mandositra ny herisetra ataon’ireo jiolahy ao amin’ny renivohitra
Aman-jatony ireo Haïtiens mikasa hanositra avy any main’ny trano fonenany noho ny fifandonana misy eo amin’ireo samy jiolahy ao amin’ny faritra andrefan’i Port de Prince, arak any nambaran’ny mpisahana ny zo maha-olona ny alahady 6 mai lasa teo. Araka ny fanisana nataon’ny mpiaro ireo sivily any Haïti, 562 ireo nifindra toerana ao anatiny ihany k any 69 ireo ankizy sy zaza ary ny 5 vehivavy bevohoka. Nanorom-ponenana ao anaty fiangonana iray amin’ny tanàna mifanila amin’ny misy azy izy ireo araka ny nambaran’ny fanambarana nataon’ny fikambanana iray izay manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fizarana sakafo, rano sy fitaovana isan-karazany. Horonantsary iray navoakan’ny mpitondra fiangonana any amin’ny tambajotra sosialy iray no naneho ireo olona avy any amin’ny faritra iray sahirana izay handrenesana poa-basy.
