ActualitésTsidika

Tafiditra anaty loko volomboasary i Madagasikara

Hisokatra manomboka ny 9 jona izao ny fanasokajiana ireo mpandeha hiditra any France izay mifanaraka ny toe-draharahan’ny aretina isaky ny firenena tsirairay ary manaraka izany ihany koa ny fisokafan’ny zotram-piaramanidina mapitohy an’i France amin’ny firenena hafa. Misy araka izany ny famatarana amin’ny loko toy ny Maitso, Volomboasary, Mena indrindra ihany koa ny fenitra amin’ny fanaovam-baksiny. Voasokajy ao anatin’ny loko volomboasary i Madagasikara izay midika fa firenena mbola hiodikodinan’ny aretina saingy efa voafehy ny fifindrany. Ary ny mpandeha avy amin’io loko volomboasary io dia tsy maintsy vita vaksiny sy voamarina tamin’ny alalan’ny fitiliana PCR tao anatin’ny 72 ora fa tsy mitondra ny tsimok’aretina. Tsy izay ihany fa tsy maintsy mitoka-monina any an-toerana aloha mandrira ny 7 andro aorian’ny fahatongavana ao France. Ny amin’izay fanaovam-baksiny izay ihany, tsy maintsy manaraka ny fepetra amin’ny fanaovam-baksiny ihnay koa ka 2 herinandro aorian’ny tsindrona faharoa ho an’ny tsindrona mitaky ny faharoa toa ny Pfizer, Moderna, AstraZeneca ary 4 herinandro aorian’ny tsindrona voalohany ho an’ny vaksiny tsy mila ny tsindrona faharoa toy ny Johnson & Johnson.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire