Etats-Unis : My ReCycler, orinasa natsangan’ny zazalahy 7 taona monja
Noporofoin’i Vanis Buckholz fa tsy ny isan-taona no mitondra ny fandraisan’andraikitra. Teo amin’ny faha-7 taonany io zazalahy io no nanomboka nisehatra teo amin’ny tontolon’ny fampandrosoana maharitra sy ho an’ny planeta.
Tanjon’i Vanis Buckholz tany am-piandohana ny fandraofana ny fako rehetra hitany ary mitatitra izany amin’ny bisikiletany. Tao Corona del Mar ao Californie no nanaovany io hetsika io ary taorian’izany dia nanangana ny orinasany izay antsoina hoe « My Recycler » ary nametraka azy teo amin’ny toeran’ny « éco-entrepreneur » tanora indrindra eran-tany izany.
Tanjon’ny orinasany ny fanangonana ny fako rehetra : plastika, taratasy, baoritra sns ary mamarotra izany amin’ireny orinasa mpanodina fako ireo. Niroborobo ny asan’io zazalahy io ary nanapa-kevitra izy sy ny ray aman-dreniny fa ny 25% ny vola niditra tamin’ny orinasany isan-kerinandro izany hoe200 dollars eo dia narotsaka hoan’ny fikambanana Project Hope Alliance, izay miahy ny ankizy tsy manan-kialofana.
