ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Misy toerana miavaka sy mahafinaritra 

Isan’ny toerana iray mahafinaritra ao Ambohimalaza Avaradrano ny Havoana Land Carting. Toerana ambanivohitra kanefa voaravaka sy tena manintona olona tokoa.

« Betsaka ny fialamboly misy ato. Azo atao ny manao lomano sy maka sary ary ny mitaingina ity fiara kely ity. Afaka mandray fianakaviana sy lanonana maro isan-karazany izahay » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Havoana Land. « Tena mahafinaritra ny toerana. Tony ny tanàna, madio ny rivotra. Mety tsara raha hivoaka kely ny renivohitra no miala voly. Tsy lavitra ny tanàn-dehibe no misy azy kanefa miavaka mihitsy ny tontolo » hoy i Landy, isan’ireo mpitsidika ny toerana.

Manaraka ny lalam-pirenena faharoa eo Imerikasinina Ambohimalaza no misy azy. Mirary ny hofan’ny toerana, ary afa-po avokoa ireo izay nandalo.

Laisser un commentaire