Antsirabe : Mpivarotra iray nibodo vary tsinjo
Tra-tehaka tao amin’ny tranon’ny mpivarotra iray tao Andranomanelatra Antsirabe ny sabotsy hariva lasa teo ny vary tsinjo milanja 6 taonina tao anatin’ny gony mahazaka 50kg miisa 120. Nolazain’ilay mpivarotra fa novidiany 102 000 ariary tany Faratsiho ny iray gony tamin’ireo vary ireo.
Nanitikitika ny maro kosa ny fahatongavan’izany tao aminy, nilaza ny raim-pianakaviana iray monina ao an-toerana fa tsy maintsy kiantranoantro indray no ao ambadik’io raharaha io, nanamafy izy fa tokony handraisana fepetra hentitra izany.
Nanokatra fanadihadiana manoloana ny tranga kosa ny zandary sy ny fitaleavam-paritry ny Indostria sy Varotra ao Vakinankaratra.
