SocialTsidika

Ranon’Ikopa : Jiolahy iray no lavon’ny mpitandro filaminana

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana teny amin’ny ranon’Ikopa ny jiolahy iray niaraka amin’ny antsy lava lela. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny digue ireto andian-jiolahy no sendran’ny mpitandro filaminana manao fanamiana sivily niandry teny an-toerana.

« Tokony ho tamin’ny 03 ora maraina teo no lavo teny amin’ny ranon’Ikopa ny jiolahy iray niaraka tamin’ny antsy lava lela. Nisy ny fifanenjehana ka izao lavo izao ity olon-dratsy ity. Mbola eo am-pikarohana ny namany hafa izahay » hoy ny avy ao amin’ny Polsim-pirenena. « Tena matetika loatra ny tranga tsy fandriam-pahalemana eto. Tena manaksitraka ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena » hoy i Arnold, mponina ao Andohatapenaka.

Misesisesy ihany koa ny vokatra azon’ny Polisim-pirenena amin’ny fisamborana ireo olon-dratsy. Manodidina ny 53 ireo olona voasambotra ary tafiditra ao anatin’izany ny asa fanendahana sy ny fifohana rongony ary ny halatra maro samihafa. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire