Ambilanibe: Mpamatsy sy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy
Mpamatsy sy mpivarotra rongony dimy lahy no voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Rongony milanja 1taonina sy 376 kg izay notsinjaraina tao anaty gony miisa 108 no saron’ny Polisy miasa ao amin’ny SCLASSP; tao Andilamena ny alin’ny 22 oktobra teo.
“Naharay angom-baovao mari-pototra ny Polisy amin’ny fisian’andian’olona ahiahiana ho mpamatsy rongony eto an-drenivohitra. Nanao ny vela-pandrika rehetra izy ireo ka niroso tamin’ny fisamborana. Dimilahy no tra-tehaky ny Polisy tao anaty trano fandraisam-bahiny iray teny Ambilanibe; rehefa hikasa hivarotra sy hanamparitaka ilay rongony.” Hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
“Fiara tsy mahataho-dalana izay mitondra takelam-pamantarana hosoka no ampiasaina hitaterana ireto rongony ireto hanamorany ny fivezivezeny. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba momba izao raharaha izao.” Hoy hatrany ny fanazavana.
Ao anatin’izany indrindra, ny avy amin’ny polisimpirenena dia mampatsiahy hatrany fa voararan’ny lalàna ny fivarotana sy ny fanaparitahana rongony ary enjana ny sazy miandry ireo mandika izany.
