Ankadikely Ilafy : Natao tao amin’ny Rovan’Ilafy ny Asa Tagnamaro
Ny Rovan’Ilafy no nosafidian’ny avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto amin’ny faritra Analamanga hanaovana ny Asa Tagnamaro. Tonga nanome tanana azy ireo ny kaominina Ankadikely-Ilafy sy ireo mponina avy eto amin’ny Fokontany Ilafy.
« Tao anatin’ny firaisankina tanteraka no nanaovana ny asa rehetra. Fanomezana hasina ny toerana mana-kasina rahateo ny fanadiovana azy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Mitohy hatrany ny ezaka fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fanadiovana. Hiaraha-misalahy tokoa izany, izay isaorana ny nanampy rehetra » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fitaleavam-paritra.
Rehefa madio sy milamina tokoa ny tontolo dia milamina ny saina. Afaka mandinika tsara ao anatin’ny filaminana izay azo hampandrosoana ny lafiny rehetra avy eo.
Nicole Rafalimananjara
